PRESSE

Parlez avec des faits et prouvez avec des cas. Conception et construction personnalisées à guichet unique, qualité professionnelle et service pratique

Kianja Barea-Madagascar

2021-06-16 Source: Madagascar

90% ny asa fanamboarana ny Kianja Barea no efa vita ankehitriny ary mpijery miisa 40.211 no zakan’ity fotodrafitrasa vaovao ity. Naorina tao anatin'ny fanajana tanteraka ireo « normes de sécurité » takian’ny FIFA ny kianja toy ny fisian’ny « caméras de surveillance » aman-jatony eny an-toerana sy ny fahafahana mamoaka ny olona tsy mihoatra ny 8 minitra raha sendra loza sy amehana tampoka. Eo ihany koa ny fisarahan’ny toeran’ny VIP, ny mpitsara, ny mpilalao, ny mpijery ary ny mpanao gazety araka ny takian'ny fenitra iraisam-pirenena. Misy efitrano 40 mahery ahitana birao, fisoloana akanjo, toera-pidiovana, efitry ny mpanao gazety, ny mpitsabo ary ny fandrindrana ara-teknika isan-karazany. Ankoatra ireo dia mbola hapetraka ao an-toerana ihany koa ireo toeram-pivarotana sy toeram-pisakafoana samihafa ary ireo trano fandraisam-bahiny.

copyright© 2024 FDC-MADAGASCAR All rights reserved copyright